“Coupe de la CAF” Tafita any amin’ny 1

16-dàlana ny CFFA


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Tafiakatra amin'ny dingana manaraka ny CFFA andoharanofotsy amin’ny fiadiana ny Amboaran’ny Kaonfederasionina Afrikanina na ny “Coupe de la CAF” ho an’ny taranja baolina kitra.

 Nandresy tamin'ny isa 2 noho 1 an’ilay Klioba Zambianina Kabwe Warriors ny CFFA Andoharanofotsy, ekipa solotenan'i Madagasikara tamin'ny lalao miverina natao tany Zambie Kianja Ndola. I Bela no nanokatra ny isa tamin'ny fizaram-potoana voalohany rehefa nahazo penalty ny CFFA teo amin’ny minitra faha-17, baolina azon’ny mpiandry harato, saingy votsotra ary voatsirika. Nosahalan'ny Zambiana izany minitra vitsy teo amin’ny minitra faha-29. Namono ny baolina faharoa ho an’ny Malagasy i Tsito izay isan’ny mpilalaon’ny Barea teo amin’ny minitra faha-74, izay nitondra ny CFFA Andoharanofotsy hiakatra amin'ny 1/16n-dàlan’ny Coupe de la CAF. Mampiakatra kely ny lazan’ny baolina kitra indray ity vokatra tsara ity, taorian’ny voka-dàlaon’ny ekipam-pirenena Barean’I Madagasikara izay nahakivy ny mpitia kitra ny vokatra tamin’ireo lalao in-droa miantaona. Karazan’ny lesona ho an’ny mpitantana ny kitra ihany koa amin’ny fandrafetana ny ekipam-pirenena hoe: tsy voatery hiantehitra lava amin’ny mpila ravinahitra, fa azo atao tsar any mampiaraka ny avy eto an-toerana sy ireo matihanina avy any ivelany. Tsikaritra mantsy hatramin’izay ny toa fanamaivanana ireo mpilalao avy eto an-toerana, ka na efa hita aza fa misy amin’ireo zoky matihanina avy any ivelany na nilalao tany ivelany no efa mety misy lesoka, dia mbola terena sy homena 90 minitra, fa tsy mba homena fitokisana ireo mpilalao avy eto, izay azo lazaina fa misy amin’izy ireo no mety manana fahaiza-manao sy haavo teknika sy tanjaka tsy mena-mitaha amin’ireo namany ao amin’ny ekipam-pirenena. Porofo iray tsy azo lavina, ohatra, I Tsito izay iny hita omaly iny fa afaka mamono baolina any an-tanin’olona, afaka mifampitady amin’ny vahiny, saingy mpanafana toerana hatrany ao anatin’ny Barean’I Madagasikara.Mazava ny resaka eto fa mikaonty be ny fahaiza-miaraka sy ny fanomanana, fa tsy hoe: roa na telo andro dia manantena hahita vokatra"
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT