Sport

Coupe Arabe U20 Nandresy an’i Djibouti ny Barea


  • Talata 18 Febroary 2020

Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny “Coupe Arabe U20” tanterahina any Arabie Saoudite. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 4-3 isika nanoloana an’i Djibouti omaly.

 

 

Nampitaintaina ny lalao satria efa nitarika tamin’ny isa 2-0 ny mpifanandrina no nihoarantsika. Nisesy ny baolina ho an’ny Malagasy. Samy namono baolina 2 avy i Arnaud sy Raicardo, ka nitarika tamin’ny isa 4-2 isika. Mbola afaka nampiditra baolina iray nampihena ny elanelan’isa ny mpifanandrina, ka 4-3 no isa farany nisarahana. Ny mpilalao Malagasy no voahosotra ho “homme de match” tamin’ny alalan’i Todisoa Rafizy Andre. Teo amin’ny lalao ilany kosa dia nandresy an’i Bahrein tamin’ny isa 4-2 ry zareo Maraokanina, izay samy iray vondrona amintsika. Raha io no jerena, dia mitarika vonjimaika ny Maraokanina izay samy manana isa 3 mitovy amintsika, saingy manatombo eo amin’ny baolina tafiditra sy niditra tao anaty harato. Ny alakamisy 20 febroary izao amin’ny 6ora hariva ny lalao manaraka ho antsika izay hifanandrinana amin’i Barhein.

Toky R sy Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT