Sport

Coupe Arabe U20 2020 Tapitra ny dian’ny Barea


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Nifarana omaly alahady 23 febroary tany amin’ny kianja Faisal Bin Fahad any Arabie Saoudite ny dian’ny Barea U20 miatrika ny fifaninanana “Coupe Arabe U 20 2020” eo amin’ny sehatry ny baolina kitra.

 

 

 

Resy fanindroany ny Barea U 20 fa lavon’i Maroc 2-1. Ry zareo Maraokanina no nampiditra ny baolina voalohany teo amin’ny minitra faha-50 ry nosahalain’ny Barea U 20 tamin’ny alalan’i Arnaud kapiteny teo amin’ny minitra faha-75 izany nefa nahazo “penality” teo amin’ny minitra faha-85 ny Maraokanina izay nodakan’ny kapitenin-dry zareo ka tafiditra soa aman-tsara ary io nahatonga ny Barea U 20 hampirin’entana io. Marihana fa ireo roa voalohany isam-bondrona no miatrika ny lalao 1/4-dalana hotontosaina amin’ny alakamisy 27 sy zoma 28 febroary 2020 izao. Nambaran’ny gazety maro mpiseho any ivelany manaraka an’ity fifaninanana ity fa marefo dia marefo ny vodilaharan’ny Barea U 20 no tsy nampahomby azy ary eo ihany koa ny tsy fananan’ny mpanazatrany traikefa amin’ny fitarihana ekipa tahaka itony.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT