Sport

COUPE ARABE U 20 2020 Voaasa handray anjara ny Barea Zandriny


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Araka ny fanasan’ny UAFA “Union Arabe de Foot-ball Association” dia manambara ny FMF “Federation Malagasy de Foot-ball”

 

fa handray anjara amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboara “Coupe Arabe U 20” hotontosaina any Arabie Saoudite amin’ny 17 febroary  ka hatramin’ny 05 martsa 2020 izao ny Baren’i Madagasikara sokajy Zandriny (U 20). Marihina fa firenena 16 nozaraina ho vondrona 4 ahitana mpifanandrina 4 ihany koa no handray anjara amin’ity fifaninanana ity dia i Irak, Tunisie, Mauritanie, Koweït, Maroc, Bahreïn, Madagascar, Djibouti, Arabie Saoudite, Palestine, Algérie, Egypte, Soudan, Libye, Emirates ary i Sénégal. Ao amin’ny vondrona B miaraka amin’i Maroc sy Bahreïn ary Djibouti no misy an’i Madagasikara ka i Djibouti no hifanandrina aminy voalohany ao amin’ny kianja Al Riyadh Club amin’ny alatsinainy 17 feboray 2020. Marihina fa efa hatramin’ny 10 febroary 2020 lasa teo ireo mpilalao U 20 Malagasy nantsoina hiatrika an’io fifaninanana io no nanomboka ny fampivondronana azy ireo eny amin’ny “Centre Technique Nationale” eny Carion. I Menakely Ruphin sy Rakotomandimby Rija Juvance no mpanazatra mitantana azy ireo ka havoaka tsy ho ela ny anaran’ireo mpilalao 20 mirahalahy voatana ho any Arabie Saoudite. Anisan’ireo nantsoina ao amin’ity Barea ho any Arabie Saoudite ireo mpilalao tao amin’ny Barea académie nandray anjara tamin’ny COSAFA U 20  2019.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT