Sport

Cosfa Analamanga sy Fosa Junior Boeny Hotoloran’ny Telma sy Fmf 3.000.000 Ar izay mandresy


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Fantatra tamin’ny fitafan’ny tompon’andraikitry ny serasera, Elly Razafinimanga sy ny tale teknikan’ny FMF, Debon Jean François ary tompon’andraikitry ny marketing sport ao amin’ny Telma,

Rova Ranaivoson teny amin’ny tranoben’ny baolina kitra teny Isoraka omaly fa hotoloran’ny orinasa Telma sy ny FMF lelavola 3.000.000 ariary izay ekipa hivoaka ho mpandresy eo amin’ny famaranana ny fiadiana ny “Telma Coupe de Madagascar” hotontosaina etsy amin’ny kianjan'i Mahamasina rahampitso alahady 26 novambra 2017. Izay resy kosa dia hahazo 1.000.000 ariary. Mbola hahazo ny anjarany koa, 500.000 ariary avy, ny mpilalao sy mpanazatra ary mpiandry harato mendrika indrindra sy ny mpampidi-baolina be indrindra ihany koa amin’ity fifaninanana ity. Nambara teny Isoraka ihany koa fa hisokatra amin’ny 9ora30 maraina ny vavahadin’i Mahamasina rehetra amin’io andro io. Ho fandaminana dia hiditra avy any avaratra ampitan’ny Ste Famille ireo mpomba ny Fosa Junior Boeny hijery baolina eny amin’ny “gradin”ary hiditra avy aty atsimo am-pitan’ny tsenan’i Mahamasina kosa ny mpomba ny Cosfa Analamanga. Hisy ny lalao fanokafam-bavony hihaon’ny ekipan’ny FMF sy Fanabeazam-pirenena. Hiavaka koa ny lalao “pronostic” hampanaovin’ny Telma ny mpanjifa rehetra amin’io alahady io mety hahazoana Smartphone 4 G  “Telma Titan” ho an’izay mahamarina ny hoe iza no ho mpandresy amin’ny TCM_Fosa na Cosfa halefa halefa SMS amin’ny 034 34 065 36 sarany 500 ariary (izay mandefa SMS be indrindra ka mahamarina no mahazo an’izany).

Farany, efa fantatra koa fa  ho lalao mandroso sy miverina ny Telma Super Coupe de Madagascar amin’ity taona 2017 ity.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT