Sport

COSAFA Women’s Championship 2019 Nanainga omaly nihazo an’i Afrika Atsimo ny vehivavy Malagasy


  • Talata 30 Jolay 2019

Hotontosaina atsy amin’ny Port Elisabeth atsy Afrika Atsimo manomboka amin’ny alarobia 31 jolay 2019 izao ny fifaninanana baolina kitra vehivavy “COSAFA Women’s Championship 2019” izay karakarain’ny Cosafa “Council Of Southern Africa Foot-ball Associations”

 

 

 

 ka  tsy hifarana raha tsy amin’ny  alahady 11 aogositra 2019. Nanainga omaly alatsinainy tolakandro teny amin’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena teny Ivato hihazo an’i Port Elisabeth Afrika Atsimo ny ekipam-pirenena Malagasy sokajy vehivavy, handeha hiatrika an’io fifaninanana io. Olona 27 no mandrafitra ny delegasiona Malagasy, ahitana mpilalao 20, mpanazatra 2 (Mamihasina Hortensia sy Rakotomalala Johary), ary mpitantana 5. Fanamby hapetraky ny vehivavy Malagasy amin’ity taona ity, ny hanao tsaratsara kokoa noho ny tamin’ny taona 2017 sy 2018. Fa tamin’ny taona 2017 tany Zimbabwe dia teo amin’ny laharana faha-11 tamin’ny ekipa 12 nandray anjara no nisy ny vehivavy Malagasy, faharesena 3 tamin’ny lalao telo natrehana.  Tamin’ny taona 2018 kosa tatsy Afrika Atsimo dia  laharana faha-10 tamin’ny ekipa 12 nandray anjara no nisy azy, faharesena 2 sy ady sahala 1.  Tsiahivina fa hiray vondrona amin’i Afrika Atsimo, Malawi, Comores ny Malagasy amin’ity COSAFA Women’s Championship  ity.   

Lalao 3 no hanokafana ny hetsika ao amin’ny kianja “Wolfson Stadium” amin’io  alarobia 31 jolay io : 10:00 –Zimbabe # Angola  (C) ; 12:45-Malawi # Madagascar ; 15:30-Afrique du Sud #  Comores.

Amin’ny zoma 02 aogositra amin’ny 10:00 ny fifanintsanam-bondrona faharoa hiakaran’ny vehivavy Malagasy an-tsehatra ka hifandonany amin’i Comores. Amin’ny sabotsy 03 aogositra amin’ny 12ora latsaka fahefany kosa ny lalao faha-3 hikatrohany amin’i Afrika Atsimo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT