Sport

Cosafa Women U 17 – Maurice 2019 Ao amin’ny vondrona B no misy ny vehivavy Malagasy


  • Talata 10 Septambra 2019

Hotanterahina atsy amin’ny nosy Maorisy manomboka amin’ny 20 ka hatramin’ny 29 septambra izao ny fifaninanana baolina kitram-behivavy, ny Cosfa U 17.

 

 

 

Firenena 8 no handray anjara amin’io fihaonana io dia i Afrika Atsimo, Botswana, Kaomoro, Madagasikara, Maorisy, Oganda, Seisela ary  Zambia. Ao amin’ny vondrona B miaraka amin’i Botswana sy Seisela ary Afrika Atsimo no misy ny ekipa vehivavy Malagasy hihaona voalohany amin’ny Botswana  amin’ny 21 septambra 2019  izao. Amin’ny 23 septambra kosa ny fihaonany amin’i Seisela ary amin’ny 25 septambra ny fihaonany amin’i Afrika Atsimo. Nanambara ny filohan’ny kaomisionan’ny baolina kitra vehivavy ao amin’ny FMF, Sandrine Michela Andriatsimialona fa nanomboka omaly alatsinainy 09 septambra 2019 eny Carion ka hatramin’ny alakamisy 12 septambra izao ny fampivondronana an’ireo mpilalao efa voafantina “préselectionnées” teo aloha hangalana izay ho any Maorisy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT