Cosafa vehivavy

Handray anjara ny Malagasy


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Taorian'ireo fanakianana mavaivay ny tsy nandraisana anjara teo amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika

ho an'ny zazalahy latsaky ny 20 taona dia lasa tapa-kevitra tampoka ny FMF fa handeha ireo seniors vehivavy any Afrika Atsimo handray anjara amin'ny Cosafa Cup. Hotontosaina ao Gqeberha izany ny 22 oktobra izao ka hatramin'ny 2 novambra.Tena efa tsara aloha izany saingy ny fanomanana no mbola mampieritreritra satria toa tsy re be tsy re kely izay fampivondronana eny na dia izay ho mpanazatra maika moa fa ireo moilalao antsoina.Toa lasa ankamehana tampotampoka teo ary tsy mba mandray lesona ka lasa hibaby kitra toa ireo Makis vehivavy tany Dubaï farany teo. Mbola tsy misy resaka koa anefa ireo mpilalao anyan-tanin'olona raha tsy hiresaka afatsy ireo lasa any Comores toa an'i Christina izay tao anaty ekipam-pirenena foana hatramin'izay.Tsy fantatra koa raha azo atao ireo milalao any Eoropa toa an'i Sophie Irène sy ry Benera mirahavavy novolavolain'ny Paris Saint-Germain.Tena mbola tsy mazava hatreto izay fanampahan-kevitry ny federasiona. Dingana ihany io hotsapana ny zavatra mety ho vitan'ny vehivavy eo amin'ny sehatra afrikanina.Ny saran-dalana ihany moa no takian'ny mpikarzkara ny Cosafa Cup fa hiantohana ny trano sy ny sakafo.Mbola misitraka vola koa aza raha isan'ireo manao manasa-dalana.Fa mba ho tody amin'izany ve ?

Efa vita omaly ihany koa ny antsapaka hizarana isam-bondrona ka nahazo gana malemy aloha satria tafaraka amin'ny Maorisy i Madagasikara. Botswana sy Malawi izany no tena hiadiana mba ho tafita any amin'ny ampahaefa-dalana satria ny roa voalohany ihany no tafita.Izay resy tonga dia mangoron-damba mody.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT