COSAFA U17

Montsana tanteraka ny Barea


  • Alarobia 17 Septambra 2025

Tapitra ny dian’ny Ekipam-pirenena Malagasy amin’ny

fandraisana anjara amin’ny COSAFA U17 Youth Championship, tanterahana any Harare Zimbabwe ny 11-20 septambra. Mangoron’entana sy mibaby faharesehana goavana ireto Barea zandriny ireto taorian’ny faharesena in-telo nisesy. Montsana tanteraka tamin’ireo lalao telo satria resin’iMalawi 3-1 tamin’ny lalao fanokafana, dia mbola tratry ny faharesena mavesatra in-droa nisesy: 5-1 nanoloana an’i Afrika Atsimo ny alahady teo, ary mbola 5-1 indray ihany koa nanoloana an’i Zambia omaly talata.Tsy nahazo isa na dia iray aza izy, ka namarana ny fifaninanana teo amin’ny lalao isam-bondrona tao anatin’ny vondrona B, taorian’i Afrika Atsimo (9 isa), Malawi (6 isa), ary Zambia (3 isa). Marina fa tsy mora ny miatrika ny fifaninana, saingy niharihary fa tena ambany ny lentan’ny ekipam-pirenena U17 nanoloana ireo mpifanandrina. Ny Kaomorianina sy ny Maozambikanina anefa tafakatra. Ny olona no ambony ny lentan’ny kitra sa isika no tsy mahay ? Betsaka ny lesoka ara-teknika sy tsy fahafehezana ny lalao, hany ka toa nataon’ny mpifanandrina fakana isa isika. Maro ireo kiana mivaivay nataon’ny olom-pirenena, izay betsaka no manahy fa tsy tena ireo mahay sy mendrika no nentina fa ireo zanaka mahitahita sy manam-bola ? Tena tsy misy mpilalao mahay noho ireny ve tamin’ireo Sekolin’ny baolina kitra eto amintsika ? Tena natao tao anatin’ny fahintsiana tokoa ve ny fifanteana sa nandeha tamin’ny kiantranoantrano ? Marina fa azo atao ny manarina ary mankahery ireo mpilalao izay nanao ny tsy nambinina satria tsy voatery ho fahombiazana foana, ary ny zavatra rehetra dia hakana lesona. Tena mahakivy ny mpitia kitra ny vokatra, ka mila harenina sy jerena ireo lesoka amin’ny lafiny maro mety tsy voatery ho avy amin’ny mpilalao irery. Eto amintsika ohatra tsy misy fifaninanam-pirenena ho an’ny taninketsa, ka mety ho lesoka ny fitiliana mpilalao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT