Sport

Cosafa U 17 2018 tatsy Maurice Nobatain’i Angola ny amboara


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Tontosa omaly alahady 29 jolay tao amin’ny kianja St François-Xavier aro Port Louis Maurice ny lalao famaranan’ny fifaninanana Cosafa U 17 taona 2018.

Nibata ny amboara tamin’izany ny ekipam-pirenen’i Angola nandresy an’i Afrika Atsimo 1-0.  I Osvaldo Capemba no nampiditra ny baolina tokana ho an’ny Angoley. I Namibie nandresy an’i Maurice 2-1 no nitana ny laharana faha-3 tamin’ity fifaninanana ity. Tonga nanotrona sy nanolotra ny amboara tamin’izany ny filohan’ny Caf, Atoa Ahmad. I Angola izany no misolotena ny faritra Cosafa amin’ny fifaninanana Can U 17 hotontosaina any Tanzania amin’ny 2019.

Ntsoavina Evariste


 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT