Cosafa senior Women’s Championship 2024

Nomontsanin’ny Barea 5-1 ny Maorisianina


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Raha somary rendrika sy mitotongana ny Barea sokajy lehilahy izay nosongonan’i Comores eo amin’ny filaharana

maneran-tany sy aty Afrika, dia nahavelom-bola kosa ny vokatra azon’ny Barea sokajy vehivavy omaly teo amin’ny Cosafa senior Women’s Championship 2024 tanterahana any Afrika Atsimo. Nomontsanin’i Madagasikara tamin’ny isa mavesatra 5-1 mantsy i Maurice omaly tao amin’ny kianjan’i Wolfson Stadium. Vokany, mitana ny laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny Vondrona B izay ahitana an’i Botswana, Malawi, ary Maurice isika hatreto. Ny 26 oktobra isika no hifandona indray amin’i Malawi ary ny 28 okotobra no hifampitady amin’i Botswana. Izay voalohany isam-bondrona no tafakatra avy hatrany amin’ny manasa-dalana. Isan ‘ny nampiavaka ny Barea vehivavy tamin’ity endriny ity ny fiantsoana ireo mpilalao matihanina maromaro avy any ivelany raha somary nionona kokoa tamin’ny toto tànana isika hatramin’izay. Tamin’ireo 23 voaantso mantsy dia misy mpila ravinahitra 8, izay avy any amin’ny Olympic de Moroni atsy Comores ny ankamaroany ny 7 izany hoe efa mahay miaraka, ka i Aimée Christina Razanampiavy izay mpilalao avy any amin’io klioba io no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ny lalao omaly. Iray kosa mpilalao avy any Allemagne dia i Zafisambondaoky Jocelyne, mpilalaon’ny Türkiyemspor. Irariana hitohy ny fahombiazana satria ho mafy kokoa ireo mpifanandrina roa hafa dia i Malawi sy Botswana izay nisaraka ady sahala 1-1 omaly !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT