Sport

COSAFA CUP VEHIVAVY


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Rehefa lavon’ny vehivavy Afrikana Tatsimo 2-1 tamin’ny alarobia teo ny Barea vehivavy miatrika ny Cosafa Cup 2018 any Afrika Atsimo dia mbola resy fanindroany indray koa omaly zoma 14 septambra 2018 fa lavon’i Malawi 2-0 be izao.

   ADY TOTOHONDRY

Tsy anjaran’ny filohan’ny federasion’ny ady totohondry Malagasy am-perinasa, Rabarisosa Herimamy, hoy ireo filohana ligim-paritry ny ady totohondry eto amintsika nosoloin’Atoa Randriamanalison Jean Louis  mpitondra tenin’izy ireo no manesotra amin’ny toerany ny filoha lefitra Gégé Bosco nahavita be teo amin’ity taranja ity fa izahay ligy amin’ny AG ihany no afaka manao an’izany.

POULE DES AS 2018

I Mahajanga sy Antsirabe no handray ny andro faha-5 amin’ny fifaninanana baolina kitra Malagasy Poule des As 2018 rahampitso alahady 16 septambra samy amin’ny 2ora30 tolakandro. Fosa Juniors Boeny handray ny Elgeco Plus Analamanga ary ny Fcv Vakinankaratra hampiantrano ny Cnaps Sport Itasy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT