Cosafa Cup

Tonga dia resy ny Malagasy


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Vao nanomboka omaly dia resy sahady ny vehivavy malagasy tatsy Afrika Atsimo nandritra ny fiadiana ny Cosafa

Cup tao amin'ny kianja Lucas Moripe.
Ny Barea anefa no nitarika ny isa rehefa nahatafiditra baolina i Rina tamin'ny minitra faha 28.
Io isa io no nentina niala sasatra.
Vao nanomboka anefa dia nosahalain'ny Eswatini ny isa.
Minitra faha 84 dia mbola nahafaty indray ny Eswatini ary dia io isa 2 noho 1 io no nisarahana.Sarotra noho izany no miandry ny Malagasy satria mbola hihaona amin'i Afrika Atsimo sy Malawi.

Somary efa nampoizina ihany ny vokatra satria dia miendrika propagandy ny nisafidianana ireo mpilalao saika manerana ny ligy maro ankoatra ny mpilalao avy ao amin'ny Disciples izay tompondaka farany.
Samy mijinja ny nafafiny izany rehefa tsy ny fahaizana no nzndrafetana ny ekipa nasionaly.

Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT