COSAFA CUP 2025

Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

izay mandray anjara amin’ny Cosafa Cup tanterahana any Afrika Atsimo. Na nitana ny laharana voalohany vonjimaika tao anatin’ny Vondrona C aza mantsy isika, dia tsy maintsy niandry ny vokatra farany teo amin’i Tanzanie sy Eswastini izay tsiahivina fa resintsika 1-0 ny Tanzanianina, raha toa ka voatazon’i Eswastini 1-1 ny ekipan’i Romuald Rakotondraibe, izay nanome ny isa 4 ho antsika. Ho an’ny voka-dalao omaly kosa, resin’i Tanzanie 2-1 i Eswastini ka niakatra ho 3 ny isa ho an’ny Tanzanianina, raha nijanona ho 1 kosa ny an’ny ankilany. Mazava ho azy, fa tafita i Madagasikara ka i Angola no hifanandrina amintsika amin’ny manasa-dalana. Ekipa tena maozatra ary isan’ny atahorana indrindra no midona aminy, ekipa tsara fanafihana indrindra ao anatin’ny Cosafa cup 2025, nahazo isa 7 tamin’ny 9 nandritra ny lalaom-bondrona, ka isan’ny nisongadina ny nanamontsanany 4-0 an’i Lesotho. Nandresy 1-0 an’i Malawi, ary ady sahala 1-1 kosa ny fifanandrinany tamin’i Namibie, izany hoe tsy resy mihitsy hatreto ny Angolais. Izy ireo ihany koa raha tsiahivina ny tompondaka farany tamin’ny 2024. Midika fa tsy mora ny miandry ny Barea A’. Fahombiazana ho antsika ny fiakarana manasara-dàlana, saingy betsaka ihany koa ny lesoka mila harenina ho an’i Madagasikara, raha tarafina tamin’ny fifanandrinana tamin’i Eswastini. Tsapa sy tsikaritra ny famerenam-baolina diso matetika, ny fitavozavozana amin’ny fiarovan-tena ka miteraka fanaovana fahadisoana matetika tsy lavitra ny faritra tsy azo ivalozana, ary tsiahivina fa « coup franc » tsara toerana no nahafatesan’ny mpifanandrina baolina tamintsika tamin’ny lalao farany. Any amin’ny fanafihana ihany koa dia tsapa sy tsikaritra ny fahasarotana na ekena aza fa namono baolina roa isika tamin’ny lalao roa. Lesoka hatrany ny famonoam-baolina, ary tsapa ny tsy dia firaisan’ny tadin-dokanga sy ny endrika fitiavan-tena ho an’ny mpilalao sasany. Inoana fa efa hitan’ny mpanazatra ny lesoka sy ny fomba hanarenana azy. Tsiahivina fa laharana fahatelo isika tamin’ny 2022, ka ny irariana mba ho tsara kokoa noho izay ny amin’ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT