Sport

Cosafa Cup 2018 Resin’ny Barea 2-1 i Mozambika


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Omaly alahady 27 mey 2018 tao amin’ny kianja Old Peter Mokaba Stadium any Afrika Atsimo no niatrehan’ny Barean’i Madagasikara ny lalao voalohany nandraisany anjara amin’ilay hetsika Cosafa Cup 2018.

Fahombiazana avy hatrany no azon’ny ekipa Malagasy fa resiny tamin’ny isa 2-1 ny ekipam-pirenena Mozambikana nifanandrina taminy. Baolina matin’i Dax (l’homme du match) teo amin’ny minitra faha-6 ny lalao sy matin’i Rojo teo amin’ny minitra faha-55 no niantoka an’io fandresen’ny Barea io. Tany amin’ny minitra faha-48 no matin-dry zareo ny baolina tokana azon’ny Mozambikanina. Marihana fa ao anatin’ny Vondrona A ahitana an’i Mozambika, Kaomoro ary i Seychelles no misy ny Barea Malagasy. I Botsawana sy Angola ary Maorisy sy Malawi koa no ao anatin’ny Vondrona B amin’ity fifaninanana ity izay haharitra hatramin’ny 09 jona 2018 izao. Amin’ny alarobia 29 mey izao ao amin’ny kianja Seshego Stadium any Afrika Atsimo ihany amin’ny 8:30 alina oran’i Madagasikara ny lalao faha-2 hataon’ny Barea ka hihaonany amin’i Seychelles.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT