Sport

Cosafa Cup 2018


  • Talata 12 Jona 2018

Voatazon’ny Warriors Zimbaboeanina ny amboaran’ny fifaninanana Cosafa Cup rehefa nandresy an’i Zambie 4-2 teo amin’ny lalao famaranana notontosaina tany Afrika Atsimo tamin’ny sabotsy 9 jona teo ry zareo.

Ny mpilalao malagasy  na i Dax no voafidy ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana ary ny Barean’i Madagasikara no nahazo ny amboaran’ny Faire Play.

Basikety N1 A

Somary hiato kely ny lalao basikety fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sokajy N1 A lahy sy vavy tontosaina any Mahajanga ankehitriny dia hiditra amin’ny andro faha-5 kosa ny fifaninanana rahampitso alarobia 13 jona 2018.

Samatch-in 2018

Ny ekipa lehilahin’ny Esmia nandavo ny Espa 79-75 ary ny ekipa vehivavin’ny Degs nandavo ny Imgam 77-52 no voahosotra ho tom^pondakan’ny fifaninanana Smatch-in 2018 nifarana tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina tamin’ny alahady 10 jona teo.

Urban Trail

Tontosa teto Antananarivo ny alahady 10 jona ny hetsika Urban Trail andiany faha-4 izay hazakazaka nentina niadiana amin’ny poliomyélite. Rakotondrasoa Fulgence no nahery teo amin’ny hazakazaka 11 km izay vitany tamin’ny 49’37”. Ralisinirina avy amin’ny 3Fb kosa no nahery teo amin’ny sokajy vehivavy nahavita ny 6 km  tamin’ny 1.00.26. Teo amin’ny hazakazaka fohy ezaka dia Tojo Andriamifidy (29’58”) sy Andréas Sandra (41’45”) no nahery.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT