Corentin Martins

Tsy nanamaivana ny fifantenana ireo mpilalao!


  • Zoma 21 Martsa 2025

Na vao lalao tokana aza no vita niaraka tamin’ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena

malagasin’ny baolina kitra, Corentin Martins, dia azo lazaina hoe voapofo fa tsy nanamaivana ny fifantenana ireo mpilalao naha resy lahatra azy hatrafitra izany Barean’i Madagasikara izany tokoa ny lehilahy! Misy isafidianana tsara na ny eo amin’ny fiandrasana tsatoby, izay niantsoana mpilalao miisa 4. Miisa 8 ireo vodilaharana, 7 ny eo afovoanin’ny kianja ary 7 ihany koa ireo lohalaharana, izany hoe, safidy hahafahana manatontosa ny endri-dalao ilaina rehetra arakaraky ny takitikan’izay mpifanandrina manoloana eo. Misy fotoana azo atao ao anatin’izay ny mandahatra mpilalao hanatontosa endri-dalao mifantoka amin’ny fanafihana ary misy fotoana azo atao ihany koa ny miantehitra amin’ny valim-panafihana. Niaraha-nahita, ho an’ireo zatra mpanaraka lalao baolina kitra fa in-3 nanova ny firafitry ny mpilalao teny ambony kianja ity tekinisianina frantsay ity. Tsy misy na iray aza mpilalao amina klioba sangany eo amin’ny baolina kitra iraisampirenena no voaantso handrafitra izany Barea izany tamin’ity saingy ny azo antoka aloha dia mpilalao avy amina klioba afaka hitondra ny tsy ampoizina manoloana izay hifanandrina aminy rehetra eo. Vita iny ny lalao nihaonana tamin’ny Fauven’i Centrafrique tao amin’ny Stade Larbi Zaouli, Maraoka, ny 19 martsa 2025 teo amin’ny andro faha 5 amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hankanesana any amin’ny amboara erantany 2026. Nisasaka ny fifaninanana. Mitarika vonjimaika ao amin’ny vondrona I izay misy antsika isika. Andrasana fatratra kosa ny mety ho vokatry ny lalao miverina amin’ny Black Star na Kintana mainty ganeanina ao amin’ny Stade El Hoceima, ao Maraoka hatrany, ny 24 martsa izao. Lalao izay tokony ho natao tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina moa io saingy iaraha-mahalala ny tsy fitovian’ny fenitra takian’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF sy ny fenitra eken’ny fanjakàna malagasy. Irariana mba ho fandresena miezinezina ho antsika indray, araka izany, io lalao amin’ny alatsinainy io ary Alefa Barea hatrany na izany na tsy izany!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT