Sport

Copa Cocacola Fantatra ireo hanao manasa-dalana


  • Talata 11 Mey 2010


Vita ny alahady tontolo andro teo, tetsy amin’ny kianjan’ny Esca Antanimena, ireo lalao ampahefa-dalana amin’ilay fifaninanan’ny sekoly amin’ny baolina kitra sokajy 13-15 taona “Copa Cocacola”. Efa fantatra taorian’izany ireo sekoly efatra tafita hiatrika ny manasa-dalana. Ny kolejy Ste Famille Mahamasina hifandona amin’ny CEG Ambohimiandra an-daniny ary an-kilany ny Lycée Jules Ferry hifampitana amin’ny CEG Nanisana. Ireo vokatra teo amin’ny ampahefa-dalana : ny Ste Famille nandresy ny kolejy St Francois Xavier 2-0. Tsy niady kosa ny lalao faharoa izay nanamontsanan’ny CEG Ambohimiandra ny Collège de France 7-0. Hany Lycée tokana tafita izany ny Jules Ferry Faravohitra izay nampiondrika ny CEG Ampefiloha 3-1 ary ny lalao farany izay nandavoan’ny CEG Nanisana tamin’ny isa 1-0 ny Esca mpampiantrano. Hiroso amin’ny andro farany ny fifaninanana ny alahady 16 mey izao izay hanatanterahana ireo lalao ankatoky ny famaranana roa, harahin’ny fiadian-toerana laharana fahatelo ary ny famaranana.

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT