Sport

« Conférence Nationale sur le Foot-ball Malagasy » Tolo-kevitra an-jatony voaray


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Tontosa omaly alarobia 29 janoary 2020 teny amin’ny Mining Busness Center eny Ivato ny famaranana ny fihaonam-be nasionaly mahakasika ny ho fanatsarana ny baolina kitra Malagasy.

 

 

 

An-jatony maro ny tolo-kevitra voaray tamin’izany ka misy ny azo tanterahina eo no ho eo, araka ny voalaza teny Ivato, ary misy ihany koa no tsy maintsy miandry ny fivoriamben'ny FMF sy ny minisitera mpiahy. Nandravona ny fehin-kevitra navoaka kosa ny Père Jean de Dieu rektoran’ny kolejy St Michel Amparibe, Clément Rabary mpanao gazety ara-panatanjahantena, Djavovojozara Ben’n y tanànan’Antsiranana ary Sylvain Ranjalahy mpanao gazety ara-panatanjahantena. Ny mpandrindra kosa dia Atoa Clément Andriamanampisoa.
Nisaotra manokana ny rehetra tamin’ny finiavana nanolotra soso-kevitra ny filohan’ny FMF, Arizaka Rabekoto Raoul izay tompon’ny tsirin-kevitra ary nampiantso ny mpiantsehatra niatrika an’ity fihaonambe nasioanaly ity, nifampidinika sy nifanakalo hevitra ho an’ny hanatsarana ny hoavin’ny baolina kitra Malagasy. Firarian’ny rehetra ny tsy hahararaka an-tany  ny hevitra natolotry ny tsirairay tamin’ity fihaonambe nasionaly ity ka sanatria handiso fanantenana ny mpitia kitra Malagasy efa niombom-po tamin’ny fahombiazan’ny Barea indray.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT