Sport

« Commission electorale Football » vaovao Mbola halefa any amin’ny FIFA


  • Talata 05 Jona 2018

Nankatoavin’ny maro an’isan’ireo ligim-paritry ny baolina kitra niisa 19 nanatrika ny AGE nataon’ny FMF teny amin’ny Paon d’Or Mandrosoa Ivato tamin’ny sabotsy 02 jona 2018 teo ny tolokevitra misy an’ireo anaran’ny mpikambana 5 ao amin’ny “Commision electorale Football” vaovao dia Atoa isany :

 

 Rakotovao Njaka (Professeur scientifique juriste), Raherimanana Lala (Avocat) , Rabefitia Haga (Administrateur), Dimasy Paul (Général de Brigade) ary Rtoa Ravelomananony Huguette (Général de la Police) miampy an’ireo  mpisolo toerana 3 dia Atoa isany: Betreafona Patrick, Benony Jacques ary Rajhonson Johary Miandrisoa. Eo koa ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny “Commission de recours” vaovao ihany koa miisa 3 dia Atoa Rakotonandrasana Velonjara (Administrateur Civil), Atoa Randrianirina Manahy (Commissaire de Police), Atoa Bin Youssouf (Professeur d’Eps) sy ireo mpisolo toerana 2 : Atoa Ramananjatovo Marius sy Rtoa Bazety Josiane, na dia nisy ihany aza ny ligy niisa 5 fantatra fa nitsipaka izany noho ny fiheveran’izy ireo fa tokony ho nakana ny hevitry ry zareo mialoha aloha ny fanolorana an’ireo anarana ireo vao nalefa tany amin’ny Caf sy Fifa araka ny voalaza izany nefa moa noho ny soa ho an’ny tontolon’ny baolina kitra dia ankatoavinay ligy 5 nitsipaka, hoy izy ireo,  ny fanapahan-kevitry ny maro an’isa. Tsy ho ela dia ho fantatra ny filoha hitantana sy ny asa voalohany hataon’ity CE Football vaovao ity.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT