Sport

Comité Multipartite EPQ eto Madagasikara Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Anisan’ny vaovao iray nampitain’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy “Minjs” notarihan’ny SG,

 

 

 Ralaivao Lovatiako Michel, tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena tetsy Mahamasina omaly zoma 23 novambra 2018 ny fankatoavan’ny filankevitry ny governemanta Malagasy tamin’ny 20 novambra teo ny didim-panjakana “décret” novolavolain’ny Mjs niaraka tamin’ny Men ho fametrahana ny “Comité multipartite EPQ” mba hametrahana  Fanabeazana ara-batana avo lenta EPQ “Eduction Physique de Qualité” eto Madagasikara araka ny drafitra matipaikan’ny Unesco sy ny tetikasa Kazan. Hiarahana misalahy amin’ny departemanta ministerialy miisa 8 izy io. Hotantanin’ny mpandrindra EPQ  ao amin’ny Minjs ity rafitra ity ary hanana kaomisiona 5. Ny vinan’ilay “décret Epq” dia ny hahatonga an’i Madagasikara ho firenena filamatra aty Afrika sy manerana an’izao tontolo izao eo amin’ny fanabeazana ara-batana sy ny hetsika mifandraika aminy hanamafisan’orina ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana maharitra ary koa ny hananan ‘ity firenena Malagasy ity olom-pirenena salama vatana tsara, mahafehy ny asany ary mihetsiketsika mandritra ny androm-pianany.

Vaoavo faharoa nampitain’ity minisitera ity omaly teny Mahamasina koa ny famin’ny fanatsarana ny fitantanana an’ireo vola fanampiana hoan’ireo “mouvements sportifs” araka ny voasoratra ao anaty ny volavolan-dalàn’ny teti-bolam-panjakana Malagasy. Raha ny tsapa, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena omaly dia tsy nandeha tsara tamin’ny tokony ho izy ny famindram-bola ho an’ireo atleta Malagasy nefa ny vola lany eo amin’ny volana oktobra teo foana nanomboka tamin’n y taona 2014  ary dia mbola mangataka fanampiana manokana any amin’ny minisiteran’ny vola indray hanomezana fankaherezana  an’ireo atleta mendrika ary voalaza aza fa ny 60 % -n’ireo federasiona mijoro dia tsy misitraka velively fanampiana izany. Efa nisy ny “inspection” natao teo anivon’ity minisitera ity manontolo ary mbola hisy “audite” hatao,hoy ihany ity SG ity. 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT