Sport

« Comité de normalisation de la FMF » Mbola tsy nahitan-teny taorian’ny fanambaran’ny minisitra


  • Zoma 15 Martsa 2019

Mbola tsy nandrenesam-peo hatreto ny “Comité de normalisation de la Fmf” mikasika ny tenin’ny ministry ny fanatanjahantena Malagasy, Tinoka Roberto,

 

 

tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina tamin’ny talata 12 martsa 2019 teo izay nilaza fa amin’ny fanarahana ny lalàna manan-kery navoakan’ny FIFA dia mifarana amin’ny faha-12 ny volana mey 2019 ho avy izao   farafahatarany ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Ny teny nambaran’ny filoha mitarika azy ireo, Rtoa Atallah Beatrice, tamin’ny zoma 01 martsa teo teny Isoraka dia nilaza mazava fa ahian-dry zareo tsy ho tratra io fe-potoana 12 mey 2019 voalaza io noho ny mbola hamerenana indray ny fifidianana any amin’ny ligin’i Bongolava mialohan’ny hanatontosana ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny FMF Malagasy izay hilana fotoana misimisy kokoa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT