Sport

« Comité de normalisation » Baolina kitra Malagasy Nivoaka tamin’ny fahanginany 3 volana aty aoriana


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

3 volana aty aorian’ny nanendrena azy teo amin’ny toerany dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny “Comité de normalisation” natao hamaha ny olana mianjady eo amin’ny tontolon’ny fifidianana rafitra

 

 

hitantana ny baolina kitra Malagasy, indrindra ny fifidianana ny ho filohan’ny federasiona vaovao. Vaovao maromaro no nampitain’ny mpikambana 3 tamin’izy ireo ny mpanao gazety Malagasy teny Isoraka hampitaina amin’ny maro toy ny hiresahan’ity “Comité” amin’ny mpanazatra’ny Barea Nicolas Dupuis anio sabotsy 02 martsa maraina hanatanterahana fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa aminy sy handrafetana ny praograman’ny Barea hiatrika ny lalao amin’i Sénégal sy ny CAN 2019. Ao koa ny filazana ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo fa haverina aorian’ny fivoriambe hotontosaina amin’ny herinandro voalohan’ny volana aprily izao hotarihan’ny “Comité de normalisation” hananganana ny “commission electorale” vaovao ny fifidianana seksion any Tsiroanomandidy sy ny fifidianana filohan’ny ligin’i Bongolava. Amin’izay lasa mpanatanteraka fotsiny ny “Comité de normalisation” ka hikarakara ny fanomanantenan’ny Barea hiatrika ny senegaley sy ny CAN 2019 (hivahiny any Luxembourg ny Barea ary hikatroka amin’i Kenya ao Paris  ihany koa)  sy ny fanomanana ny Lalaon’ny nosy 2019 ary ny Telma Coupe (hanomboka alahady 3 martsa) sy ny Thb Champion’s League Malagasy 2019.   

 

Ntsoavina Evariste

                                                         

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT