Sport

Combat libre Nampiaiky i Mamy devoly sy Fidel be


  • Alatsinainy 15 Martsa 2010

Nifangaro ny fahombiazana sy ny lesoka tamin’ilay “combat libre” andiany faha-4 natao tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny sabotsy teo.

Nahaliana ny maro tokoa ny hetsika saingy taraiky loatra, tara adiny iray sy sasany tamin’ny fotoana nifanomezana vao nanomboka. Ady goavana dimy izay nantsoin’ny mpikarakara hoe “Combat Pro” no voalahatra ka ny roa tamin’ireo no tena nampiaiky ny maro. Tao anatin’ny 38 segondra monja no nandavoan’i Mamy devoly (MicMax) an’i Edmond (Cheminots) teo amin’ny sokajy +70kg. Ny teknika famolahana sandry (clé de bras) no nampiharin’i Mamy devoly ka nampilavo lefona an’i Edmond izay nahiana nitondra takaitra mihitsy ny foto-tsandriny. Ady nahaliana ny maro koa ny teo amin’ny sokajy mavesatra +90kg izay nandavoan’i Fidel be (Tsunami) an’i Hery (MicMax) tao anatin’ny roa minitra rehefa nilavo lefona ity farany rehefa voakenda ny lohany sy ny tanany. Vola nitentina 2 hetsy ariary avy moa no natolotra ireo mpandresy.

Ankoatra ireo adin’ny sangany dimy dia nisy koa ny ady fifampihantsiana ho an’ireo samy mpijery ka 1 hetsy ny loka ho an’ireo mpandresy. Fa nanamarika ity hetsika ity koa ny fahatongavan’i Alain Ramaroson teny antsefatsefan’ny fifaninanana izay nosiahan’ireo mpijery tsy nifandrenesana. Nanampy ireo mpikarakara itony karazana ady itony mantsy ity mpikambana iray ao amin’ny FAT ity tato ho ato, nefa ireo tena mpikirakira fanatanjahantena dia tsy tia milalao taranja miloko politika. Tsiahivina fa efa ela no nisy nikasa hikarakara “free fighting” toy izao teto amintsika saingy tsy nahazo alalana noho ny voina tsy ampoizina mety hitranga amin’ny mampaherivaika ity taranja ity. “Nanaiky matoa tsy niteny” sady tsy nitsipaka ny minisitera. Mahaliana ny maro tokoa ity taranja ity saingy tokony hatao mazava tsara ny fitsipika mifehy sy rafitra mikarakara azy sao hisy ny patsa iray tsy omby vava vao hifanone tsiny.

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT