Coach Rôrô

“Tapitra ity ny fifanarahana…”


  • Talata 12 Septambra 2023

Tapitra ity ny fifanarahana taorian’ny vonjiranovaky izay tsy niambohoana ny adidy nanendrena ahy hitondra ny Barea,

hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Romuald Rakotondrabe na Rôrô. Medaly alimo isika tamin’ny CHAN, hoy izy. Medaly volamena tamin’ny lalaon’ny nosy. Nibata ny amboara Jubilé Ahmad. Tsy resy isika tamin’ireo lalao miisa 2 fifanintsanana na “qualifications” CAN izay nodimbiasana farany na dia efa tsy tafiditra anaty lisitr’ireo tafiakatra intsony aza. Saingy nahatohitra kosa ny Ghana sy Angola. Lalao goavana miisa 6. Ady sahala 3. Fandresena 3. Tsy afaka hiteny hoe «mission accomplie» na iraka vita satria tsy mbola eo ny nofinofin’ny Malagasy. Faly fa tsy resy kosa na nanafika tany ivelany na teto an-toerana. Mamelà ahy haneho fankasitrahana ny malagasy rehetra tsy an-kanavaka nanome fitokisana. Tsy nanamavo ny an’ny tena fa natoky sy nametraka fanantenana nahafahako niseho tamin’ny sehatra maro sy lehibe. Na toy ny omby mahia be tandroka aza ka nizaka ny tsy eran’ny aina satria sady nanazatra ny CHAN U-23, Barea nanao lalaon’ny nosy, Barea nanao CAN. Niezaka natoky ihany isika malagasy ka tsy niala lavitra. Nomena aho dia tsy maintsy misaotra. Mankasitraka tompoko nanome fitokisana, hoy hatrany ny lehilahy!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT