Sport

Coach Rôrô sy Drogba “Mila mifampiantso sy mifampiresaka”


  • Zoma 30 Desambra 2022

Mbola erotrerony sy manana ny hoaviny tanteraka eo amin’ny baolina kitra malagasy i Drogba na Tsilavina Fanomezantsoa, hoy ny filohan’ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra eto Madagasikara na K2HB, Randrianirina Jean Ignace na Ramasy.

Antenain’ny hoavin’ny baolina kitra malagasy izy, noho izany, hoy ity tekinisianina ity. Mifaningotra amin’ny baolina kitra koa nefa ny fitondran-tena. Na mahay tahaka ny inona aza ianao nefa tsy mametraka an’izay ny fitondran-tena dia zava-poana. Ny disadisa eo anivon’ny Barea CHAN, tokony hajaina aloha ny mpitantana. Tokony tanterahana ny toromarika omeny sy ny zavatra tiany hapetraka. Ny mpanazatra no mahazo tsiny raha tsy tanteraka izay. Isika miheritreritra hoe olona iray no manao ny baolina. Fikambanana io. Isany ny mpilalao, ny mpanazatra, ny raiamandreny. Tokony hajaintsika izay rafitra izay. Mino aho fa amin’ny maha sportifa dia tsy maintsy hisy ny fifamelana. Tsy mino aho hoe ho tonga any amina resaka fikomian’ny mpilalao rehetra toy ny tamin’ny ekipam-pirenena frantsay tamin’ny 2010 akory io satria izay no nahavoa ny frantsay tamin’izany. Tsy nisy firaisankinan’ny mpilalao tany Afrika atsimo, ohatra. Te hifaninana amina resaka toerana ireo boay kelin’ny Barea CHAN ireo ka mino aho fa tsy ho tonga amin’izany. Marina fa mifaninana anaty Pro league ireo manao CHAN ireo fa mbola tsy azo ampitahaina amin’ny ekipam-pirenena frantsay na brezilianina. Mbola sahirana ny mpilalaontsika ka manana hambom-po te hampiseho ny talentany. Mila mifampiantso sy mifampiresaka ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Coach Rôrô sy I Drogba. Raha misy faharesena tsinona dia ny mpanazatra aloha no ho voatsipindy voalohany vao ny mpilalao, hoy hatrany ity tekinisianina ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT