Coach Rôrô

Mahasarika ireo klioba afrikanina


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

Mahasarika ireo klioba afrikanina ny fahaiza-manaon’ny

mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara, Romuald Rakotondrabe na Rôrô, raha ny fampitam-baovao voaray amin’izao fotoana izao. Isan’ny liana aminy ny AFC Leopards atsy Kenya sy ilay klioba mozambikanina Uniao Despirtiva do Songo. Ankoatran’ireo fahombiazany tamin’ny fitantanana ireo klioba divizionina voalohany teto Madagasikara dia iarahan’ny mpanara-baovao ara-panatanjahantena mahalala fa isan’ny nanandratra avo ny ekipam-pirenena sy ny voninahi-pirenena ny coach Rôrô, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fahazoan’ny Barea ny laharana faha 3 tamin’ny tompondakan’i Afrika na CHAN 2022 sy ny laharana faha 2 tamin’ny CHAN 2024 ary ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny nosy 2023. Isan’ny andrandraina ny haneken’ity mpanazatra malagasy ity izay fifanarahana iraisampirenena izay satria dia heverina fa ho tombony ho an’ireo mpilalao avy eto an-toerana ihany koa izany noho ny fahafantaran’ny coach Rôrô tsara ny fifaninanam-pirenena avy eto an-toerana. Isan’ny mba nofinofin’ireo mpitia baolina kitra ihany koa ny hitomboan’ireo malagasy milalao anatina klioba sangany eto Afrika amin’ny alalan’izany rehetra izany.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT