Coach Roro

Lesona velona ho an'ny mpitondra nefa tsy raisiny


  • Alatsinainy 01 Septambra 2025

Azo lazaina ho lesona velona ho an'ny mpitondra nefa tsy raisiny ny mpanazatra

ny akipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara tany amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny taranja baolina kitra na Chan 2025, nifarana ny sabotsy teo, Romuald Rakotondrabe na coach Roro. Azo lazaina ho maromaro ihany ireo tandapa niezaka nanakaiky ity mpanazatra ity nanomboka tamin'ny fahombiazany ny taona 2023, raha nitantana ny ekipam-pirenena ihany ka nahazoantsika ny medaly alimo tany amin'ny Chan 2023. Isan'ny fanazavana matetika famerin'ny coach Roro ny hoe tsy misy fahagagana amin'ny baolina kitra fa mila miasa raha te hahazo vokatra. Toy izany koa, nialohan'ny famaranana teo, ny hoe tsy kisendrasendra ny nahatongavanay aty amin'ny famaranana fa nisy ezaka mafy tao. Hatreto tsy hita ho mandray izany ohatra rehetra izany aloha izany ny mpitondra matoa mbola alahatry ny sehatra iraisampirenena ho isan'ireo firenena mahantra indrindra eto ambonin'ny tany ity Madagasikara ity. Tsy tao anatin'izay fahombiazana izay ihany anefa no nanomezan'ny coach Roro ohatra velona ho an'ireo mpitantana teto sy eto amin'ity firenena ity fa nametra-pialana tsy niandry fanesorana azy tamin'ny toerany koa izy raha nahatsapa tena fa tsy nahomby nandritra ny fifanintsanan'ny amboaran'i Afrika na CAN sy amboara erantany izay nitantanany ny Barea zokiny na Barea A farany teo. Oviana nefa moa no mba ho fomban'ny mpitantana tsy mahomby eto amin'ity firenena ity izany mametra-pialana izany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT