Coach Rôrô,

fanazarana ny Barea CHAN


  • Alarobia 12 Aogositra 2026

Karama 540 tapitrisa Ar

tsy azoko ! Ny FMF nandray 1,2 tapitrisa dolara »
Voalaza fa mbola manodidina ny 540 tapitrisa Ariary ny karaman’ny Coach Rôrô na ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha, Romuald Rakotondrabe, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Mbola mitohy ny disadisa eo amin’ny Coach Rôrô sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF mikasika ny karama lazaina fa tsy voaloa nanomboka ny volana novambra 2024. Araka ny fanazavan’ity mpanazatra ity dia 120.000 Dolara eo ho eo, izany hoe manodidina ny 540 tapitrisa Ariary, ny fitambaran’ny karama mbola tokony ho azony hatramin’ny oktobra 2026. Nambarany fa nandritra io vanim-potoana io, nahazo 1,2 tapitrisa dolara, izany hoe eo amin’ny 5,4 miliara Ariary, ny FMF taorian’ny nahatongavan’ny Barea teo amin’ny famaranana ny CHAN 2025 na tompondakan’i Afrika. Araka ny filazany ihany dia latsaky ny 10% amin’io vola azon’ny federasionina io ihany ny sandan’ny karama takiany, izay heveriny ho vokatry ny asa nataony sy ny ekipany nandritra ny fitondràna ny Barea. Na dia mbola tsy nahazo izany karama izany aza izy dia nilaza fa nanohy ny andraikiny hatrany ka nitondra ny Barea hatramin’ny famaranana ny CHAN 2025. Nohamafisiny ihany koa fa mbola manan-kery hatramin’ny oktobra 2026 ny fifanarahana nifanaovany tamin’ny FMF ary tsy mbola nametraka taratasy fametraham-pialàna izy, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT