Coach Rôrô

“Aleo mifampitsapa amin’ny ekipa ngeza”


  • Talata 28 Novambra 2023

Anatin’ny fiofanana izay tontosainy ao Frantsa moa amin’izao fotoana izao

ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Romuald Rakotondrabe na Coach Rôrô. Tsy nanakana azy hilaza ny faniriany mikasika ny fanomanan-tenan’ny Barea amin’ny tohin’ny fiadiana ny tapakila ho any amin’ny amboara eran-tany amin’ny 2026 anefa izany. Aleo mifampitsapa amin’ny ekipa ngeza, hoy izy, raha azo atao amin’io fotoana fiatoan’ny FIFA na “fenêtre FIFA” io. Mety hamitaka ihany tsinona, hoy izy, ny handresy ekipa heverina fa maivana dia hamalifaly fotsiny ireo mpankafy fa tsy tena ahitana ny fanamboarana tokony atao. Raha azo atao, hoy hatrany ny tenany, dia tena ilaina ny manasa ireo andrarezina toa an’i Kameronina, Alzeria, Maroc.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT