Sport

Coach Eliasy Vonona hanampy ny Barea


  • Talata 06 Aprily 2021

Mpanazatra malagasy kalaza ao Frantsa, nametrahan'ny Frantsay fitokisana satria dia napetrakan'izy

 

 

 

ireo ao amin’ny fitantanana tekinika nasionaly ao amin’ny federasionina frantsain’ny baolina kitra na FFF ny Coach Eliasy. Manana diplaoma UEFA C, UEFA B, UEFA A ny tenany ary manana sertifika marobe mikasika ny fampivoarana ny baolina kitra ihany koa. Efa nitondra klioba goavana tao Frantsa. Vonona aho hiaro mafy ny voninahitr’i Madagasikara raha toa ka voaantso hiditra ao anatin'ny Staff Barea, hoy izy, raha ny fampitam-baovao voaray. Tiako i Madagasikara ka vonona hanohana amin’ny heriko iray manontolo ny tenako. Tsy afaka manao mpanazatra na mpifantina kosa anefa izy noho ny adidy sy andraikitra izay sahaniny ao amin’ny FFF, raha ny fanazavana. Afaka manampy akaiky ny ekipa kosa hiakarana hahazoana fahombiazana. Mety ho moramora kokoa amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny hanaovantsika lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipam-pirenena frantsay rehefa mba tafiaraka ao amin’ny Staff Barea izy amin’ny maha mpikamban’ny DTN azy ao amin’ny FFF, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT