Coach Arsène Malabary sy Rôrô

Hizara traikefa amin’ny mpanazatra malagasy


  • Talata 12 Desambra 2023

Azo lazaina ho vaovao tsara ho an’ny baolina kitra malagasy, indrindra, eo amin’ny firosoana

amin’ny maha mpanazatra matihanina ny fihaonana teo amin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ankehitriny, Romuald Rakotondrabe na Rôrô, sy ny mpanazatra teo aloha ary talen’ny ivon-toeram-piofanana frantsay, RC Lens, teo aloha, Hervé Arsène Malabary, fony izany klioba izany nifaninana tao amin’ny Ligue 1 frantsay. Nandalo teto amiko, hoy ity mpanazatra monina ao Frantsa ity, ny rahalahy Rôrô, nandritry ny fiofanana nataony teto an-toerana ny volana novambra teo, ary niresaka maharitra izay tokony sy azo ho entina ho an’ireo mpanazatra any an-tanàna izahay. Misy ny tetikasa kononkononon’izy mirahalahy ireto, raha ny fanazavany, ahafahana hizara traikefa amin’ny mpanazatra malagasy hirosoany amin’ny lenta avoavo kokoa eo amin’ny sehatra maha matihanina. Heritreretina ho entina eo anivon’ny Federasionina malagasy na ny FMF ato ho ato ny tetikasa. Ny RC Lens no azo ambara ho klioba tena nivelaran’i Arsène Malabary satria dia mpilalao tao ny tenany ny taona 1987 hatramin’ny 1989 ary tao ihany koa no namarana ny maha mpilalao azy ny taona 1991 hatramin’ny 1998. Rehefa avy nandalo 2 taona tao amin’ny La Roche Sur Yon VF (TTF: 1989-1991). Tao amin’ny US Saint André moa no nanombohany ny taona 1985-1987. Frantsa hatrany izany rehetra izany. Ny taona 2015 hatramin’ny 2018 kosa izy no talen’ny toeram-piofanana tao amin’ny RC Lens. Azo ambara ho efa nahavita be ihany koa ity zokibe mandia ny faha 60 taonany ity raha ny ekipam-pirenena malagasy no ambara satria ankoatran’ny naha mpilalao dia efa nitondra ny ekipam-pirenena, tamin’ny maha mpanazatra mpanampy an’i Franck Rajaonarisamba tany amin’ny manasa-dalan’ny COSAFA 2006 izy ary nitondra ny Barea tany amin’ny famaranan’ny lalaon’ny nosy 2007 tamin’ny maha mpanazatra mihitsy kosa indray. Tsy nidiram-baolina mihitsy ny ekipam-pirenena tamin’izany raha tsy tamin’ny alalan’ny tsotsoromamba na “tirs au but” nifanandrinana tamin-drizareo reinioney ary niteraka resabe sy savorovoro mihitsy tamin’izany fotoana izany ny fandresen-drizareo reinioney noho ny fahitana fitongilanan’ny mpitsara. Heverina, noho izany, fa hitondra rivo-baovao tsaratsara kokoa ho an’ny kitra malagasy hatrany izao mety ho fiverenan’i zokibe Malabary eto an-tanindrazana izao indray rehefa nisintaka nanomboka ny taona 2008, indrindra moa fa hoe hiara-hiasa amin’i Maitre Rôrô.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT