Sport

CNaPS Sport tantanan’i Raoul Arizaka Rabekoto Nanome ainga vao ny baolina kitra Malagasy


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

I Njiva Rakotomalala fantatry ny maro kokoa amin’ny hoe Njiva no nampiditra ny baolina tokana teny Vontovorona teo amin’ny minitra faha-42 ny talata lasa teo ka nahazoan’ny Barea ny tapakila hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun amin’ny herintaona.

 

 

 Milalao amin’ny klioban’i Shokothai amin’ny Ligue 1 any Thailande i Njiva amin’izao fotoana ary sokajiana ho anisan’ireo mpilalao tena mamiratra any an-toerana. Tsy tongatonga ho azy izany satria ankoatra ny talenta efa nananany  dia tafiditra tao anatin’ireo tanora novolavolain’ny CNaPS Sport izy. Ny taona 2013 ka hatramin’ny 2017 no nilalao teo anivon’ny CNaPS sport teo ambany fitarihan’ny tale jeneraly Raoul Arizaka Rabekoto i Njiva. Ankoatra azy dia anisan’ny nandalo tao amin’ny CNaPS ihany koa i Faneva Ima izay kapitenin’ny Barea amin’izao fotoana, eo ihany koa i Leda izay mpiandry haraton’ny ekipam-pirenena. Ny CNaPS Sport Foot-ball Itasy moa raha tsiahivina dia efa tompondakan’i Madagasikara in’enina ary nahavita izany in-dimy nisesy ny taona 2013 ka hatramin’ny 2017. Tafiditra ao anatin’ireo klioba mafy sy matanjaka ny CNaPS izay vokatry ny fitaizana sy fampianarana maro samihafa. Manana ny ampy amin’ny resaka fitaovana sy fotodrafitrasa ity ekipa ity raha tsy hilaza afa tsy ny complexe culturel et sportif eny vontovorona. Anisan’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny FMF i Raoul Arizaka Rabekoto, tale jeneralin’ny CNaPS ary tanjony ny hampivoatra sy hahatsara kokoa hatrany ny tontolon’ny baolina kitra amin’ny alalan’ny fanofanana sy fanorenana fotodrafitrasa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT