Sport

Cnaps Sport sy Elgeco Plus Samy nisafidy ny hilalao alarobia avokoa


  • Zoma 23 Novambra 2018

Samy hiatrika ny lalao savaranonando amin’ny fifaninanana afrikanina avy ny ekipan’ny Cnaps Sport Itasy tompondakan’i Madagasikara 2018 sy ny Elegeco Plus tompon’ny amboara 2018.

 

 

 

Ny Cnaps Sport dia hihaona amin’ny  ekipan’ny Fc  Platinum avy any Zimbabwé eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika andiany faha-23 eo amin’ireo ekipa tompondaka ary ny Elgeco Plus dia hifanandrina amin’ny ekipan’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale eo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika andiany faha-16.  Samy eto Madagasikara avokoa ny lalao mandroso na ny  talata 27 na ny alarovia 28 novambra izao ka samy nisafidy ny hilalao amin’ny andro alarobia 28 novambra avokoa ireto ekipa Malagasy roa tonta ireto. Ny Cnaps Sport handray ny Zimbabweana eny amin’ny kianjany eny Vontovorona ary ny Elegeco Plus kosa dia handray ny ekipa avy any Guinée Equatoriale etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Ny talata 4 na alarobia 5 desambra 2018 kosa no hanatanterahana an’ireo lalao miverina any Zimbabwé sy any Guinée Equatoriale.

Raha ny vaovao azo dia efa manao “mise over” hatramin’ny talata 20 novambra 2018 eny Vontovorona ny ekipan’ny Cnaps Sport ary miatrika tsy tapaka fanazarantena eo amin’ny kianjany. Eto an-drenivohitra ihany kosa no miatrika an’izany ny ekipan’ny Elgeco Plus ary tsy tapaka ihany koa manao fanazarantena eo amin’ny kianjan’i Mahamasina tahaka izay tazana omaly alakamisy 22 novambra 2018. Nambaran’ireo mpitantana azy avy dia ny dokotera Samuel Ratovo ho an’ny Cnaps ary Atoa Alfred Randriamanampisoa ho an’ny Elgeco Plus izay tafaresaka an-telefaonina tamin’ny Tia Tanindrazana omaly fa samy vonona hanao izay ho afany hiaro ny voninahi-pirenena avy ny roa tonta sady mampanantena fandresena avokoa  amin’ireo lalao hatrehana  amin’ny alarobia 28 novambra ireo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT