Sport

CNaPS Sport sy Elgeco Plus Hizara roa ny mpijery baolina Malagasy anio


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Noho ny fandaminana tsy dia mazava loatra dia voatery hizara roa anio alarobia 28 novambra 2018 ny mpijery baolina Malagasy ka hisy ny ho eny amin’ny kianjan’ny CNaPS eny Vontovorona hanatrika ny fihaonan’ny CNaPS Sport Madagasikara sy ny Fc Platinum Zimbabwe

 

eo amin’ny fifaninana savaranonando fiadiana ny amboran’i Afrika eo amin’ny ekipa tompondaka taona 2018, ary hisy kosa ny ho etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny lalao savaranonando mandroso amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika  eo amin’ireo ekipa tompon’amboara. 2018 handraisan’ny ekipa Malagasy Elgeco Plus ny ekipan’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale. Voatery hizara roa tahaka izany koa ny mpanao gazety hitatitra ny fandehan’ireo lalao roa ireo. Marihana fa anjaran’ireo ekipa Malagasy roa tonta ireo no mikarakara ny lalao tandrify azy avy fa dia ho mpiahy mivantana fotsiny ny FMF nefa dia tokony hisy nidiran’ny raiamandreny mpiahy ihany ny amin’ny fandaminana.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT