Sport

CNaPS SPORT Nanolotra fanampiana ho an’ireo tra-boina


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Araka ny antontan’isan’ny BNGRC ny alatsinainy 09 febroary 2015 tamin’ny 06 ora hariva dia mahatratra 12 194 ireo tra-boinan’ny rivo-doza Fundi tany amin’ny Distrikan’i Morombe, Toliara I sy II. Miisa 1462 ny trano tratran’ny tondra-drano ary 1123 ny trano rava. 03 kosa ireo olona namoy ny ainy ary mirefy 273ha ny tanimbary safo-drano.

 

Manoloana izany rehetra izany dia tonga nanatevin-daharana ireo mpanome tolo-tanana ny ekipan’ny CNaPS SPORT Foot-ball ka nanolotra vola ho an’ireo tra-boinan’ny kere sy ny rivo-doza nifanesy. Notsiahivin’i Dr Mihaja Andrianaivo avy eo anivon’ny klioba CNaPS SPORT Foot-ball kosa fa efa nisy ny fanampiana nomen’ny fianakaviam-ben’ny CNaPS ireo tra-boina tamin’ny 20 janoary lasa teo.  Matoa mbola nitondra ny anjara birikiny ny mpilalao hoy izy dia satria ankoatry ny fanatanjahan-tena dia tezaina ihany koa ireo mpilalao mba handray andraikitra manoloana ny voina mianjady amin’ny mpiara-belona eto amin’ny firenena.Ny alakamisy 12 febroary izao moa no hanainga ho any Nairobi hifanandrina amin’ny ekipan’ny Gormaya sady hiaro ny voninahi-pirenena ireto ekipan’ny CNaPS Sport ireto.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT