Sport

CNaPS Sport Madagasikara Vonona handresy ny Ts Galaxy Fc amin’ny sabotsy izao


  • Zoma 27 Septambra 2019

Vonona tanteraka ny handresy sy hanilika ny ekipan’ny Ts Galaxy Fc avy atsy Afrika Atsimo, eo amin’ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny “Coupe de la confederation africaine” amin’ny sabotsy 28

 

septambra 2019 eny amin’ny kianja sentetikan’i Vontovorona, ny CNaPS Sport Madagasikara araka ny filazan’Andriambololona Tipeh mpanazatra azy. Ekipa azo resena tsara ny Ts Galaxy Fc, hoy izy, raha tarafina tamin’ny lalao mandroso natao tany amin’ny kianja “Mbombela Stadium” Afrika Atsimo  tamin’ny 15 setambra lasa teo. Mbola tao anatin’ny fifantoana tanteraka ary tsy tafiditra tsara tamin’ny lalao ireo mpilalaontsika no nahafaty an’iny baolina tokana nandreseny iny ry zareo Afrikana Tatsimo ka somary nampiova be ihany ny fizotran’ny lalao izany nony avy eo sady nisy ihany koa an’ireo baolina roa matintsika fa nolavin’ny mpitsara hatrany. Fantatra ankehitriny fa ao amin’ny heriny tsara avokoa ireo mpilalaon’ny Cnaps Sport rehetra afa-tsy i Lalaina izay naratra kely nandritra ny fanazaran-tena natao. Marihana fa i Lalaina dia anisan’ireo mpilalao tompon-toerana niaraka tamin-dry Leda, Ando, Toby, Tantely, Ronald, Tojo, Fortunat, Eric, Remy ary Arnauld tamin’ny lalao mandroso tany Afrika Atsimo.

Ntsoavina Evariste

Ny CNaPS Sport Madagascar tany amin’ny kianja “Mbombela Stadium” Afrika Atsimo 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT