Sport

CNaPS Sport Madagasikara Handray ny A.E RAMASSA avy any Barcelone


  • Talata 17 Aprily 2018

Handray ny ekipan’ny A.E RAMASSA avy any Barcelone.Espagne amin’ny lalaom-piralahiana hifanaovana eo amin’ny taranja baolina kitra eny amin’ny « complexe sportif » eny Vontovorona ny alahady faha-22 aprily ho avy izao ny ekipa tompondakan’i Madagasikara, ny CNaPS Sport Itasy.

 

 Ho fampiraisana ny tanora Malgasy amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy laharana faha-16 » izay tsy  inona fa ny fandriampahalemana ny fahamarinana ary ny fandalana ny rafitra mahomby ilain’ny vahoaka Malagasy no antom-pisian’ny hetsika. Hataon’ireto ekipa 2 hifaninana ireto ho fanoitra hampanjakana ny  firindran’ny fiarahamonina sy ny fiarahany mientana ny lalao baolina kitra ihany koa ary natao hitarihana ny tanora hamaha am-pilaminana ny fifandirana misy ity lalao ity. Farany hamporisihana azy ireo hiady amin’ny kolikoly sy handray anjara feno amin’ny fitarihana maha-olom-pirenena sy hiady amin’ny hery setra isan-karazany.  Hiditra maimaimpoana ny mpijery miisa 2000 tonga voalohany eny amin’ny kianja sentetikan’i Vontovorona amin’io faha-22 aprily 2018 io ary ho tolorana fanomezana manokana ihany koa ireo olona 1000 voalohany mividy tapakila 1000  ariary fidirana eny amin’ny gradins amin’ity lalao ity.   Tohanan’ny Consulat Honoraire an’i Espagne sy ny PNUD ary ny Ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy sy ny FMF ary ny Groupe Filatex ny hetsika.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT