Sport

Cnaps sport Ho fantatra amin’ny alahady ny mpifanandrina aminy


  • Alakamisy 03 Martsa 2016

Ny alahady 6 martsa ho avy izao no ho fantatra ny ekipa hifanandrina amin’ny Cnaps Sport amin’ny dingan’ny ampahenina ambin’ny folon-dalan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an’ny isan-tarika.

 Amin’io andro io no hotondroin’ny kaonfederasiona afrikanina ny  baolina kitra hanatontosana ny lalao miverina eo amin’ny  ekipan’ny Us Douanes avy  any Niamey Niger sy ny Wydad Kazablanka avy any Maraoka ho an’ny dingan’ny savaranon’ando izay tokony ho natao tany Niamey ny 28 febroary  teo saingy tsy tontosa satria tsy afaka niditra ny fadintseranana ny mpilalao maraokanina  noho ny fitokonana tao Niamey ny faran’ny herinandro teo. Tsy miova ny  toerana hanaovana ny lalao miverina. Tsiahivina  hatrany fa efa  nandresy tamin’ny isa 2-0 ny Wydad Kazablanka nandritra ny lalao mandroso natao tany  Kazablanka, Maraoka. Tsy misy fiovana kosa ny  fandaharan-potoana fa ny herinandron’ny 11, 12 na 13 martsa no hatao ny lalao mandroso ary ny 19 martsa no hanaovana ny lalao miverina  any amin’ny kianja monisipalin’i Mahajanga.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT