Sport

CNaPS Sport Hiara-kiasa amin’ny Nino Design International


  • Zoma 03 Novambra 2017

Tontoso tamin’ity herinandro ity ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Nino Design International sy ny ekipan’ny CNaPS Sport, raha efa am-bolana maro no efa nisalotra ny akanjo Nino Design izy ireo.

 

Raha tsiahivina, orinasa natsangan’ny mpandraharaha tanora Malagasy, miompana amin’ny famokarana akanjo sy kojakoja fampiasa amin’ny fanaovana fanatanjahantena, ny Nino Design. Any ivelany no tena nahafantarana azy ireo ary efa nampiakanjo ekipa vahiny ity marika ity. Noho izao fifanaram-piaraha-miasa zao dia ny akanjo Nino Design no hosaloran’ny ekipan’ny CNaPS Sport mandritra ny roa taona. Fanamiana fanaovana fanazaran-tena karazany 3, “chasubles” karazany 3, fanamiana ho an’ny fahatongavana amin’ny toerana hilalaovana karazany roa, fanamiana ho an’ny ekipa mpitantana, ny mpitsabo ary ny “staff” teknika, fanamiana fanaovana amin’ny “échauffements”, fanamiana fanaovana eny an-kianja karazany 4 ary fanamiana ho an’ny mpiandry tsato-by, no natolotr’izy ireo maimaimpoana ho an’ity ekipa mpilalao baolina kitra ity. Nanomana akanjo ho an’ireo mpijery sy mpanohana koa izy ireo, ankoatra izay. Nampahatsiahy ny tanjon’ny ekipan’ny CNaPS kosa ireo mpitantana azy, dia ny hamerina sy hametraka ny baolina kitra malagasy amin’ny toerany, na eto an-toerana na any ivelany. Tafiditra ao anatin’izany ny fisalorana fanamiana vita Malagasy, kanefa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT