Sport

CNaPS – “Inter directions” Fifaninanana fiaraha-mientan’ireo mpiasa manerana ny nosy


  • Talata 04 Aogositra 2015

Ankoatra ny asa sosialy sahanin’ny Cnaps dia mikarakara ireo mpiasa ao aminy koa izy amin’ny alalan’ny hetsika ara-panatanjahantena.



 Izany no atao dia hampitoboana ny vitrika sy firaisan-tsain’ireo mpiasa isak’ireo departemanta tsirairay. Teny amin’ny kianjan’i Mahamasina no nanaovana ny fifaninanana ny 18 hatramin’ny 25 jolay teo. Nifanandrify tamin’ny fivoriambe arak’asan’ny Cnaps natrehin’ireo tomponandraikitra manerana ny nosy io hetsika io. Nahatratra 580 ireo nanatrika izany ka 252 ny vehivavy ary 328 lehilahy. Taranja enina no nifaninanana dia ny baolina kitra, baskety, volley, tenisy, tsipy kanetibe ary ny lalao karatra. Nozaraina ekipa efatra samy hafa loko ireo mpandray anjara. Nahazo ny lalao karatra ny ekipa maitso izay nahitana ny departemantan’ny fifandraisana sy informatika. Ny ekipa mavo no nahazo ny tsipy kanetibe nahitana ny departemantan’ny fanaraha-maso ny masoivoho sy ireo mpiasa avy amin’ny fikambanan’ny mpiasa. Ny ekipa maitso ihany koa no nahazo ny tenisy, ny ekipa mavo ny baskety, ny ekipa mena ny volley ary ny ekipa manga ny baolina kitra. Marihina fa tsy maintsy nasiana vehivavy ny ekipa rehetra. Lohahevitra niainana nandritra ny hetsika ny hoe “Cnaps miara-mientana, taratry ny firahalahiana’’. Tonga nanotrona ny dingan’ny famaranana moa ny tale jeneralin’ ny Cnaps, Arizaka Rabekoto Raoul sy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Raveloson Odon.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT