Sport

Club Firaisana Sab-Nam Hifampiarahaba nahatratra ny taona 2020


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Hifampiarahaba amin’ny fahatrarana ny taona 2020 ny Club FSN

 

“Firaisana Sab-Nam” novelomin’i Claude Rasata tamin’ny torimasony indray amin’ny sabotsy 29 febroary 2020 izao eny amin’ny Bouba Sport eny Ambohitrinimanga Anosy Avaratra. Ankoatra ny fikoranana sy ny fiaraha-mifaly noho ny fahatrarana ny taona vaovao dia eo ihany koa , hoy Atoa Claude Rasata, ny fiaraha-midinika amin’ny fomba hamerenana indray ny “ecole de foot Fsn” amin’ny laoniny mba hamokarana taninketsan’nybaolina kitra tahaka izay efa nimasoan’ity klioba ity hatramin’ny niforonany. Miantso an’izay liana rehetra amin’izany tetikasa vaovao izany izahay, hoy izy mba ho tonga amin’io fa hivoha midanadana ho azy ireo ny varavaran’ny klioba FSN. Fotoanan’ny fanaingana indray  baolina kitra Malagasy amin’ny toerana ambony tokony hisy azy izao, hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny Club Firaisana Sab-Nam ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT