Sport

Club Firaisana Sab-Nam Hanao fihaonambe eny Anosy Avaratra


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Hanatanteraka fihaonambe iantsoany an’ireo mpilalao rehetra nandalo tao aminy eny Anosy Avaratra amin’ny sabotsy 21 desambra 2019 ho avy izao ny kliobana baolina kitra FSN na Firaisana Sab-Nam.

 

 

Nambaran’i Claude Rasata mpilalao fahiny tao sady mpanazatra no mpitantana an’ity klioba ity ihany koa fa hisy ny lanonam-pifaliana in-3 miantoana hotantaerahina amin’io andro io dia ny “1er mi-temps” sy “2 mi-temps” eo amin’ny kianjan’Anosy Avaratra. Ny “3è mi-temps” kosa dia hotanterahina ao amin’ny Espace Bouba eny Ambohitrinimanga Anosy Avaratra ihany. Marihana fa tamin’ny taona 1953 no nitsangana ny FSN ka Club Firaisan’i Sabotsy Namehana no anarany tamin’izany fa taty aoriana (1971) kosa namerenan’i Claude Rasata azy dia novana ho Club Firaisana Sab-Nam ny anarany mandraka ankehitriny. Efa nandalo tao amin’ity ekipa ity ry Herisetra sy Hery kely ekipam-pirenena Malagasy, ny mpanazatra Rasoanaivo Etienne sy Louis Robson. Efa nilalao tao koa tamin’ny taona 1980 ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Ntsoavina Evariste

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT