Sport

Club 3Fa Avaradrano Nahavita fifampiarahabana nahatrarana ny taona 2020


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Tanteraka an-tsakany sy an-davany tamin’ny sabotsy 04 janoary 2020 lasa teo ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona vaovao 2020 ho

 

 

an’ny club 3FA Avaradrano izay notanterahina tao  amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely ka niarahan’ireo tanora mpikambana niaraka tamin’ireo raiamandreny mpiandraikitra ny klioba nifaly havanja. Taorian’ny fiaraha-mivavaka nanombohana  ny fotoana ka nirarian-tsoa ny  hitondran’ity taona vaovao ity soa sy fanambinana ho an’ny rehetra  dia nisy ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny sokajy 13, 15 taona ary ny vehivavy sy ny senior ary ny veteran. Namaranana ny fotoana kosa tamin’io sabotsy io  ny fiaraha-nisakafo tao amin’ny EPP Ambohitrarahaba ka nandritra izany dia nisy ny fanolorana akanjo fanaovana fanazarantena vaovao mba hanomezana hery ireo mpilalao. Tsara homarihina fa ny club 3FA Avaradrano dia anisan’ireo ekipa efa ela nitaizana tanora satria  tamin’ny taona 1991 no niforonany  tao Ambohitrarahaba ary mbola ao amin’ity toerana ity hatrany ny adiresy ahitana azy hatramin’izao. Handray ny faha-29 taonany izao ny klioba amin’ny famolavolana sy fitaizana ireo tanora eo amin’ny taranja baolina kitra  izay ahitana ny sokajy 6 , 8 , 10 , 13 , 15 , 17 , 20 taona ary ny senior sy ny véteran sy vehivavy. Nanamafy hatrany ny Tompon’andraikitra voalohany Rakotonirina Harison Philibert fa hiezaka hanatsara sy hanao ny tsaratsara kokoa noho ny efa vita izy ireo amin’ity taona 2020 ity.

Voka-dalao ara-pirahalahiana tamin’ny 04 janoary teo :

Sokajy 13 taona : 3fa Avaradrano vs Cftfc Anatihazo Isotry (0-2)

Sokajy 15 taona : 3fa Avaradrano vs Cftfc Anatihazo Isotry (0-0)

Sokajy Vehivavy : 3fa Avaradrano vs Cftfc Anatihazo Isotry (1-1)

Sokajy senior : 3fa Avaradrano vs Cftfc Anatihazo Isotry ( 5-5)

Sokajy véteran : 3fa Avaradrano vs Fc Ankadikely (2-3)

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT