Sport

Clio Trophy Laharana fahatelo i Mika


  • Talata 09 Mey 2023

Tonga laharana fahatelo i Mika Rasoamaromaka nandritry ny fiadiana ny tompondakan'i Lafrantsa Clio Trophy lalan-tany farany teo tany Castine.

Fahatelo teo amin'ny laharana ankapobeny izy raha niaraka tamin'i Bastien Pouget fa voalohany eo amin'ny sokajy Junior. Azo lazaina fa mivoatra hatrany ity zanaky ny Governoran'Analamanga ity. I Faniry ilay kambana aminy moa dia nandray anjara tamin'ity fifaninanana ity koa ary niaraka tamin'i Baptiste Langlois fa saingy tsy tazana. Io antony io izany no tsy handraisan'izy mirahalahy amin'ny Rallye Motul amin'ny faran'ny herinandro ity ka nahatonga an-drainy handray ny familiana ny Peugeot 208 izay isan'ny matanjaka indrindra aloha hatreto. Ity fiara zo amin'iny sokajy R5 ity no nandrombahan'i Mika ny anaram-boninahitra tompondakan'i Madagasikara tamin'ny taona lasa.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT