Clément Couturier

Nitondra voandalana ho an’ny Barea


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Anisan'ny tena fanirian'i Clément Couturier, irakiraka eo anivon’ny Swift Esperage,

klioban’ny baolina kitra divizionina voalohany ao Luxembourg, ny mba hanitsaka ny tany izay hananany fiaviana sy fiavian'ny vadiny, raha ny resaka nifanaovana taminy. Tsy aiza moa io tanindrazana ambarany io fa eto Madagasikara. Naniry mafy ny ho mbola voaantso eo anivon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara izy tao aorian'ny fiantsoana farany mba ahafahany mahita an'i Madagasikara. Rehefa tanteraka izany dia tsy tonga tanam-polo ity mpilalao mandia ny faha 30 taonany, 1,83m ity, fa niaraka tamin'ny fanomezana fitaovana fanaovana baolina kitra izay niarahana tamin'ny kliobany na ny Swift esperage, izany hoe voandalana ho an’ny Barea, toy ny arotanana ho an’i Nina, izay mpiandry tsatoby voalohan’ny ekipam-pirenena, sy fanamiana entina manao fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena koa, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT