Sport

Clarisse Rasoarizay Nahavita niatrika lalaon’ny Nosy im-pito


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Mendrika ary fakan-tahaka amin’ny lafiny fitiavana fanatanjahantena sy fikirizana I Clarisse Rasoarizay,

atleta Malagasy isan’ny zokiny indrindra nandray anjara tamin’ny Lalaon’ny Nosy farany teo. Efa 52 taona izy ankehitriny, fiaingana faha-7 amin'ny Lalaon’ny Nosy ny an'i Clarisse Rasoarizay tamin’ny taranja semi-marathon nataony androany alahady 03 septambra 2023 teo, ka teo amin’ny laharana faha-6 no nisy azy. Izy izany no atleta Malagasy niatrika lalaon’ny Nosy im-betsaka indrindra. Efa in-dimy niambozona medaly i Clarisse Rasoarizay hatramin’izay, ary iny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 farany teo iny no fandraisana anjara farany ho azy ho an’ity lalao aty amin’ny Ranomasina Indianina ity. Mendrika alain-tahaka ny finiavana nananany, ary isaorana be dia be izy tamin’izay rehefa vitany, ka nanandratany hatrany ny voninahi-pirenena.
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT