Sport

Cjsoi, Lalao Afrikanina, Lalao Olimpika Nilaza ny programanasany ny minisitry ny fanatanjahantena


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Nambaran’ny ministry ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy, Andriamosarisoa Jean Anicet, ambangovangony tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny birao fiasana tetsy Andohan’Analakely, tamin’ny sabotsy 13 janoary teo, ny praogramanasa taona 2018 ho tanterahin’ity ministera tarihany ity.

 

 Lohalaharana amin’izany, hoy izy, ny fanomantsika ny lalao Cjsoi 2018 ho tontosaina any Djibouti amin’ny 20-28 aprily 2018 ka hiroso amin’ny fampivondronana sy fanomanana an’ireo atleta hiatrika izany isika manomboka izao mba hanana vokatra tsaratsara kokoa noho ny tamin’ny lalao natao teto amintsika tamin’ny 2016. Isika rahateo no filoha am-perinasan’ity Cjsoi ity ka tsy tokony handraraka ilo mby an-doha, hoy ingahy ministra. Hisy fanomanan-tena ho tanterahina any Chine hoan’ireo izay voafidin’ny manam-pahaizana Sinoa hitsirika ny atleta Malagasy amin’io volana febroary io. 88 ireo ho fantenina farany amin’izany ka ho 16 isaky ny taranja 5 handraisantsika anjara (Atletisma, Lomano, Tesisy ambony latabatra, Badminton ary Halterophilie).

Manaraka izany dia manomana koa isika ny Lalao olimpika amin’ny andro ririnina, ny lalao olimpikan’ny tanora, ny lalao afrikanina 2019 ho tontosaina any Maorisy, ny lalao olimpika 2020 ho tontosaina any Tokyo Japon. Niova ho Centre National de Sport Etude ny ivotoeram-pampiofanana spaoro eto amintsika ary ho tohizana koa ny fampiroboroboana ny Sport Scolaire Malagasy. Ho jerena koa ny amin’ny fanatanjahantena iraisan’ny mpiasam-panjakana rehetra.

 

Ntsoavina Evariste


                                                                                                                                                              

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT