Sport

CJSOI Havadika ho isaky ny efa-taona


  • Alakamisy 21 Mey 2015

Nosokafana omaly teny amin’ny A&C Ivato ny fivorian’ireo manampahaizan’ny vaomieran’ny tanora sy fanatanjahantena aty amin’ny Oseana Indiana. Nambaran’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet izay sady filohan’ny CJSOI am-perinasa, omaly,

 

 nandritra ny lanonam-panokafana fa noho ny hamaroan’ireo fifaninanana atao aty amin’ny ranomasimbe dia hodinihina ny fanaovana ity lalao ho an’ny tanora ity ho isaky ny efa-taona raha roa taona izany hatrizay. Ireo manampahaizana hivory no handinika izany, ka heverina hatao roa taona aorian’ny Lalaon’ny nosy indray izy io. Ny fivorian’ireo minisitra mpikambana no hanapaka izany ny 2 aogositra, mandritra ny Lalaon’ny nosy any La Réunion. Marihina moa fa firenena valo no tokony ho mpikambana saingy taorian’ny fisintahan’i Djibouti tamin’ny 2014 dia lasa fito sisa ary anisan’ny tanjona indray  ny hamerenana io firenena io.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT