Sport

Charles Hilaire Solohery - MFM “Mila miresaka hisorohana ny rà mandriaka”


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Politika ny fepetra noraisina tamin’ny sabotsy, ny andaniny tanam-polo, ary ny ankilany milanja basy,

 

 

izay tsy mifanentana, hoy Atoa Charles Hilaire Solohery Komity Foiben’ny Antoko MFM, raha nivahiny tao amin’ny Real TV Madagascar alina. Naely ny hoe fitaovam-piadiana nafaran’ny mpanohitra, ary misy mersenera ao, ary nanazava ny lehiben’ny mpitandro filaminana. Milaza indray ny iray hoe na misy mersenera aza tsy atahoranay fa izahay nanao “école de guerre” kanefa ny minisitra efa lehibenao no milaza fa tsisy. Tsy mipetraka amina maha Raiamandreny, ary tsy mba mampisy fitoniana. Miondrika eo anatrehan’ny aina nafoy. Ianao milaza hoe “légitime defense” ny tany Toamasina kanefa na izany aza mbola misy ihany koa hoe: mifanentana ve ny hery? Misy fepetra vao afaka manapoaka basy, ary tifi-danitra ve ho eny amin’ny tongony? Ny tokony notenenina na hanao na tsy hanao dia ny hoe hampanao fanadihadiana? Mampisamatsamaka sy tsy mampiray hina ny foloalindahintsika ny zava-misy, raha ny nambarany. Hihamafy ity, ary tsy mety ny hoe izaho izao no eto dia izay tiako atao satria ahy ny fahefana sy ny basy, ny vola ho tapaka, hoy izy.

 TSY MISY FISAHARAHAM-PAHEFANA ETO

 Nahalasa ny fisainako ny mikasika an’i Rolly Mercia, hoy i Charles Hilaire Solohery. Nanao fanambarana ny voaheloka iray hoe nisy olona nanome toky azy hafahana fa tsy maintsy manendriketrika ity Minisitra teo aloha ity. Ny lehiben’ny mpanao ankety ve no nampiteny ny boaikely hoe tsy mahazo manonona ny anarany? Tsy voaaro intsony atao famotorana vao any amin’ny savaranonando ary mety ho diso hatramin’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Efa tsy tany Repoblikanina intsony izany. Ny tsy fisian’ny fisaraham-pahefana dia tsy afahafan’ny fitsarana manao ny asany. Ny Filoham-pirenena dia sady filoha faratampon’ny foloalindahy, sady Filohan’ny filankevitra ambonin’ny Mpitsara. Inona no zavatra handeha amin’izany ?

 MILA MIFAMPIRESAKA

 Ady fahefana ny politika, rehefa misy ny mety dia fantatry ny rehetra ny hoe io ny mety, fa rehefa misy ny tsy mety dia adidin’ny mpitondra ny miteny, hoy Atoa Charles Hilaire Solohery. Lany andro ny lalampanorenana, mivangongo ny fahefana ary mila ahena akisaka any amin’ny Praiminisitra ohatra, lasa raharahan’Ambaniandro ny adin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, mila haparitaka any amin’ny faritra ny fampandrosoana, mila apetraka ny karatra biometrika dia manao fifidianana amin’ny 2023. Tsy miditra amina rà mandriaka hampifandona ny firenena ny MFM, fa miombon-kevitra kosa amina fahalalahana haneho hevitra sy ny demokrasia. Tsy maintsy miditra amin’ny marimaritra iraisana na “consensus” ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao raha tsy tiana ho zava-doza, raha ny nambarany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT